| Utilisateur | Message |
|
21:45 8 février 2010
| BEORONA
Invité
| | | |
| |
|
|
Nanao politika ve i Jesoa kristy sa nanampy mivantana na ankolaka mpanao politika t@ fotoan’androny? mila valiny io.
Fa maninona no disoina ny hafatra izay napetrany hanompoana azy?
Fa maninona no avily lalana ny fanompoana an’Andriamanitra?
Zonao @ mahaolombelona anao ny manao politika fa tsy zonao kosa ny hanao fitaovana politika ny fivavahana.
AOKA IZAY NY FANIMBAZIMBANA FIVAVAHANA KRISTIANA
Raha nanao politika i Jesosy dia resy lahatra aho fa tokony ho laroina fivavahana ny fihetsehembahoaka.
|
|
|
21:53 8 février 2010
| SLIPP
Invité
| | | |
| |
|
|
Efa io no nanjonoin-dRavalo ny Mpivavaka hatramin’izay, ka gaga ve ianao??
|
|
|
4:43 9 février 2010
| Rotsaky
Invité
| | | |
| |
|
|
Mba mihezaka ny hamilivily ny tolom-bahoaka ry beorona fa dia tena hita fa « sankalite ». Tena pire noho radomelina.Mba topazo maso anie ity mba hoe « sujet » apetrany.Manao hevitra mirefarefa amin’ny tany mihintsy le beorona io. Soa ihany fa tonga dia any anaty « SLIPP » sa hoe « slipo ». dia anjaranareo no mijery izay any anaty slipo e!(slipo maloto e!! dain!!!)
|
|
|
9:48 9 février 2010
| bota
Invité
| | | |
| |
|
|
tOKONY hianatra miady hevitra mihintsy aloha ianareo milaza azy ho « legaliste » ireo.
Tsy mbola nisy ohatr’izao hatr’izay Ny mahagaga dia ny tsy fahatsapan’izy ireo mpitondra fivavahana fa mapisaraka ny mpino ny zavatra ataony.
|
|
|
10:09 9 février 2010
| flindomin
Invité
| | | |
| |
|
|
marina ‘zany ry koto(be=)bota a! tena marina misty zany kotobota a! aleo tsy ny olona no miady fa ny hevitra!
|
|
|
11:46 9 février 2010
| Beorona
Invité
| | | |
| |
|
|
Rotsaky a écrit :
Mba mihezaka ny hamilivily ny tolom-bahoaka ry beorona fa dia tena hita fa « sankalite ». Tena pire noho radomelina.Mba topazo maso anie ity mba hoe « sujet » apetrany.Manao hevitra mirefarefa amin’ny tany mihintsy le beorona io. Soa ihany fa tonga dia any anaty « SLIPP » sa hoe « slipo ». dia anjaranareo no mijery izay any anaty slipo e!(slipo maloto e!! dain!!!)
Misaotra anao ihany @ fanamarihana ataonao fa ny ahy dia miezaka ny hampitombina ny fisian’ny forum toy itony aho ahazahoana mamantatra ny tena ao anatin’ny sain’ny Malagasy mitovy rà amiko.
Eto no andrefesana hoe mbola afaka ny hiarina ve ny firenentsika na tsia, izay filazanao ny ataoko tsy maninona fa mba mandray anjara @ adihevitra aho @ fitondrana ny vahoaka @ lalana tokony halehany.
Misaotra an’i Rotsaky @ fanevatevana.
Raha ohatra ka legaliste ianao dia mampahonena ilay legaliste fa tsy manana olona mba matotra mihitsy.
|
|
|
11:49 9 février 2010
| BEORONA
Invité
| | | |
| |
|
|
Tadidiontsika mianakavy fa matoa isika miafina ato anaty Pseudo matetika hafahafa itony dia olona tsy dia afaka miresaka imasombahoaka isika dia aleo miafinafina ato ambadiky ny ecran.
Ny tiako ambara dia tsy tokony ho isika indray no hanambany ny ezaka ataontsika na dia miafina aza, fa akaro arak’izay azo atao ny adihevitra izay ataontsika.
Tsy miseho ho hendry be fa aleo ny tena marina lazaina.
Maro ny olona ampian’itony forum itony, jereo tsara fa ny zavatra soratantsika eto matetika no lasa sosokevitra manja be any @reny fivboriana manandanja ireny.
|
|
|
12:13 9 février 2010
| tahotrakalack
Invité
| | | |
| |
|
|
Satry dia satry tokoa anie ka hanana ny anjara-toerany tandrify azy daholo ny zava-drehetra eh!
Ohatra hoe :
1 – Ny mpanao politika dia miresaka politika eny anivon’ny antenimiera sy ny
sehatra mitovitovy @ izany.
2 – Ny mpitondra fivavahana dia mitaona sy mapivavaka ny olona eny @ toerana
voatokana hanaovany izany.
3 – Ny mpiantafika na ny miaramila dia mamonjy ny vavahady raha misy ny
mpanafika na koa hoe hiaro ny vahoaka @ tsy fandriam-pahalemana ka
mba ahafahan’ny olona miasa am-pilaminana.
Ny zava-mitranga anefa dia izao : tsy misy ny toerana ahafahan’ny mpanao politika miresaka sy manazava hevitra , fa haza lambo @ ambana basy foana ary fampihorohoroana sy fisamborana ary fanagadrana mihitsy aza no mahazo ,satria ny antenimiera izay sehatra natao ho azy ireo , tsy misy !!!Kanefa izany no manjo azy ireo.
Ny miaramila izay tokony hampandry fahalemana ny tany , VERY FOTOANA @ fanenjehana mpanao politika .
Mahita izany ny mpitondra fivavahana , izay hany sisa ianteheran’ny te haneho hevitra dia tsy tokony homena tsiny rizareo satria vahoakan’Andriamanitra mitovy daholo na ny mpitondra na ny mpanohitra izay iharan’ny tsindry hazolenan’ny mpitondra.
|
|
|
14:24 9 février 2010
| ;
Invité
| | | |
| |
|
|
fivavahana dia fitaovana matanjaka ahafahana mamehy olona, mahazo ny tany, mitondra fanjakana. Natao ho an’ny vahoaka ny fivavahana fa tsy ho an’ny mpanao pôlitika.
Raha nandaitra tokoa ve ilay hoe: « Minoa fotsiny ihany » dia ho toa izao no tantara?
|
|
|
16:28 9 février 2010
| Alidera A.R.
Invité
| | | |
| |
|
|
Asa raha toa ka izao marina no tena tokony ijerena ny fifanfraisan’ny politika sy ny fivavahana.
Tsara angamba raha mandinika amin’ny saina tsy miangatra sy matsilo ny fivoaran’ny fifandraisan’ireo zavatra roa ireo eran-tany fa tsy dia izay manakaikikay an’i Eraopa ihany no jerena.
Mila jerena ihany koa ny fiarahan’ireo roa ireo tao anatin’ny tantaran’i Madagasikara.
Tsara ny aloha ny mampahatsiahy kely angamba fa ny zavatra nitranga teto Madagasikara hatramin’ny 1896 no nankaty dia ny fapiharana ny zava-nataon’ny frantsay tany aminy talohan’ny « Lalànan’ny taona 1905″.
Farany, tsy Ravalomanana no nanjono ny malagasy tamin’io resaka io, fa ny malagasy no tsy mahalala ny tantarany.
|
|
|
17:02 9 février 2010
| Marina e!
Invité
| | | |
| |
|
|
Marina fa ny fiangonana tsy manao politika politisiana fa manao politika fapandrosoana!! aza afangaro io!! Raha mamaky ny baiboly Genesisy katr@ Apokalypsy de ny mpitondra fivavahana rehetra tao de nanao politika fapandrosoana daoly!! indrindra fa ny mpaminany!!(fiangonana=mpaminany), raha oe Jesosy nga nanao politika de marina ny filazanao.Saingy Jesoa dia nanome iraka ny fiangonana mba hanarahana ny lalàny!! De ho diso ve ny fiangonana raha miteny ny Fitsarana @zao fotoana izao @ tsy fahamarinana ataony, ny manana fahefana @zao fotoana izao mangalatra, sy manao ny tsy marina . Adidy ny fiangonana izany!!!
|
|
|
19:54 9 février 2010
| BEORONA
Invité
| | | |
| |
|
|
Marina e! a écrit :
Marina fa ny fiangonana tsy manao politika politisiana fa manao politika fapandrosoana!! aza afangaro io!! Raha mamaky ny baiboly Genesisy katr@ Apokalypsy de ny mpitondra fivavahana rehetra tao de nanao politika fapandrosoana daoly!! indrindra fa ny mpaminany!!(fiangonana=mpaminany), raha oe Jesosy nga nanao politika de marina ny filazanao.Saingy Jesoa dia nanome iraka ny fiangonana mba hanarahana ny lalàny!! De ho diso ve ny fiangonana raha miteny ny Fitsarana @zao fotoana izao @ tsy fahamarinana ataony, ny manana fahefana @zao fotoana izao mangalatra, sy manao ny tsy marina . Adidy ny fiangonana izany!!!
fOMBA FIJERY DAHOLO NY ANTSIKA FA NY AHY KOA DIA manameloka tanteraka NY FIVAVAHANA AFANGARO @ RESAKA POLITIKA POLITISIANA AHO. Ny mission apetraka @ fiangonana mantsy araky ny fahazoako azy dia ny HITAIZA fa TSY HANDRANGITRA ny mpiangona ao aminy.
Rehefa mahita ny tsy mety dia MANANATRA fa tsy MANENJIKA na MITSARA avy hatrany fa manodina ny resaka atao ho lasa FANANARANA.
Tys anjaran’ny kristiana velively ny MANAKIANA; fADY TANTERAKA IO. Fa ny mampita ny vaovao mahafaly ho an’ny olona rehetra.
Tsy mahafaly ny olona mihitsy ny fitsikerana fanjakana eo ampivavahana satria tsy eo no tokony anaovana an’izany.
|
|