Forum

Nom d’utilisateur actuel : Invité Connexion S’enregistrer
Merci de vous enregistrer

Recherche 
Rechercher dans les Forums:


 




Fanasana ny 13 Febroary 2010 ao Lille : tafa sy dinika ho any hoavin’ny firenena

Ajouter un nouveau sujet Répondre au message
UtilisateurMessage

9:42
9 février 2010


sakay

Invité

Faly miarahaba tompoko,

Faly manasa anao mpiaramitolona manohitra ny fanonganam-panjakana nataon-dRajoelina sy ny forongony hatry ny ela ,

- ianao mpanohana mangina ary tsy tia resabe na fisehoana be loatra ,
- ianao tia filaminana ary mandàla ny fihavanana tena Malagasy ,
- ianao tsy tia voninahitra na eboebo !

Manasa anao izahay tapakao sy havanao Mpanohana ny ara-dàlana aty avaratr’i Frantsa sy ny Firenena Benelux mba :

HIARA HIBANJINA NY HO AVIN’NY FIRENENA RAHAPITSO

Ny Asabotsy faha 13 Febroary 2010 ao amin’ny : Maison des Etudiants (MDE) Lille 1 VILLENEUVE D’ASCQ manomboka amin’ny 3 ora tolak’andro.

Manasa anao am-pitiavana hifanapatapak’ahitra . Manasa anao amin-kitsi-po hiara hifaly fa mbola velon’aina amin’izao fiandohan’ny taona izao : aleo hono tara toy izay tsy misy !

Endrika mirana sy fo velomin’ny fitiavan-tanindrazana tsy ho eo ambany ziogan’ny mpanjanaka no andraisanay anao sy ny namana ary ny fianakaviana rehetra miandrandra ny fitrakàn’ny Firenena Malagasy hotantanin’ny olona tena sahaza izany araka ny safidy malalaka izay tsy maintsy hisy.

« Ny herikerika hono no mahatondran-drano ary hanin-jaraina mora lany ny entan-jaraina mora zaka »

Koa manainga ny rehetra izay maniry ny filaminana sy ny fandriampahalemana tsy ankanavaka ny aty Avaratra satria :

« NY HEVITRY NY MARO MAHATAKA-DAVITRA ARY NY ADIDY TSY AN’OLON-DRATSY »

Manao veloma finaritra ary mirary finaritra sy mirary soa indrindra ary manantena ny hifampitafa sy hidinika tsy ho ela.
(Ampitampitao maro)

Le Diaspora Malagasy pour un Etat de Droit à Madagascar

13:12
9 février 2010


sakay

Invité

Ny « Disapora Malagasy pour un Etat de Droit à Madagasikara » no mikarakara sy misahana io fihaonana io.

Marihina fa tsy misy fanavahana na faniliana ny fanasana. Fa natao ho an’ireo rehetra mahatsiaro fa ny fandraisana anjara mivantana amin’izay vitany ihany no hitondra amin’ny tena fahafahana.

Ka raha toa misy fanazavana na zavatra tiantsika halalinina dia ireto misy nomerao antarin’ireo any Avaratra Frantsa sy Benelux azo anstoina :

00 32 495 50 96 59
00 63 371 17 83
00 66 381 69 08
00 66 110 47 91

Répondre au message


Répondre au sujet : Fanasana ny 13 Febroary 2010 ao Lille : tafa sy dinika ho any hoavin’ny firenena

Nom d’utilisateur (requis):

Adresse email (requis):

Réponse au sujet:

Editeur bbCode
Enregistrer le nouveau message

Guest URL (required)

Réponse au problème de math requise !
Quelle est la somme de :
4 + 5
   

 

 
Recherche 

A propos du forum Topmada.com

Nombre max. d’utilisateurs en ligne :

330


Actuellement en ligne :

23 Invités

Stats du forum :

Groupes : 1

Forums : 1

Sujets : 5082

Messages : 22854

Membres :

Il y a 1253 membres

Il y a 2858 invités

Il y a 1 admin

Il y a 0 modérateur(s)

Auteurs les plus prolifiques :

litakely1 – 692

bilboquet – 339

zo – 263

rabaradaka – 259

boul25 – 125

Fara – 124

Administrateurs : C.S. (2 Messages )




Diffuser :
  • Digg
  • E-mail this story to a friend!
  • Google
  • MySpace
  • Wikio FR
  • Facebook