Ny fahadisoan-Rakotonirina Manandafy

1 septembre 2009

Tsetratsetra tsy aritra ity noho ny fahitana ny zava-nitranga teny Ivato ny Zoma 28 Aogositra folakandro lasa teo. Niaraha-nahita iny ny fihetsiky ny miaramila sasany. Tao ny nankasitraka sy nanome rariny azy ireo. Tao kosa ireo nalahelo kanefa tsy afaka nanao na inona na inona afa-tsy ny filazana fa mbola ao anatin’ny fotoana fikatsahana vahaolana ho an’ny firenena izao ka tsy mendrika ny toy ireny.

Voalohany tsy fantatra marina izay nambaran-dRakotonirina Manandafy tany Maputo mikasika ny miaramila malagasy. Gazety an-tsoratra iray teto an-drenivohitra, hoy ny mpanao gazety iray ao amin’ny Taratra ny Sabotsy 29 lasa teo, no nilaza io tranga tatsy Mozambika io. Izany hoe raha nisy marina tokoa izany teny nanafintohina izany dia ny Talata 25 Aogositra no nisiany. Io no andro nanombohan’ny dinika faharoa tao amin’ny Foibe fanatanterahana ny fivoriana iraisam-pirenena Joachim Chissano.

Raha izay àry no izy dia tsy misy fahadisoan-dRakotonirina Manandafy velively ny teny nambarany. Tsotra ny antony. Ny ampitson’iny ihany, izany hoe ny Alarobia 26 Aogositra, dia voasambotry Polisy tao Maputo ary nohidiana nandritra ny 1 andro mahery ny teratany malagasy 5 niara-dalana tamin’i Monja Roindefo.

Ny tatitry ny AFP ny Alakamisy 28 Aogositra no nanambara mazava fa olona manodidina ny Praiminisitra Monja Roindefo izy ireo ary ny antony nisamborana azy dia ny fitsofohana an-tanin’olona miaraka amin’ny fitaovam-piadiana tsy nahazoana alalana manokana.

Tsorina fa i Madagasikara sy ny vahoaka malagasy iray manontolo mihitsy no indray nitafy henatra teo anatrehan’izao tontolo izao noho iny tranga, izay toa nanamarina ny voalazan-dRakotonirina Manandafy iny.

Iza marina ireo olona ireo ? Inona no anton-diany tany Maputo satria tonga ny Alarobia maraina tany an-toerana izy ireo raha ny Alatsinainy hariva no tonga ny rehetra? Nahoana no tsy nisy fanazavana mihitsy na kely hatramin’izao avy tamin’ireo tompon’andraikitry ny Fahefana Avon’ny Tetazamita mikasika izany? Ny tenan’Atoa Andry Rajoelina mihitsy mantsy no nifampiraharaha tamin’ireo manam-pahefana mozambikanina mikasika ireo olona ireo ny Alakamisy teo, araka ny fampahalalam-baovao ihany.

Fanontaniana iray lehibe tokony ho nipetraka teny Ivato ihany koa tamin’io andro Zoma io ihany ny fahasahiana lehibe nananan’ny Minisitry ny Varotra Rakotonirina Jean-Claude niampanga imasom-bahoaka an-dRakotonirina Pety sy i Voninahitsy Jean Eugène ho mpandroba ny varin’ny orinasa Magro any Toamasina.

I Voninahitsy Jean Eugène anefa tamin’io fotoana io dia mpikambana tamin’ny ankolafy Rajoelina. Tsikaritra anefa tamin’iny fahatongavan’ny Filohan’ny HAT tao Ivato iny dia tsy anisan’ireo tonga nitsena azy ny Minisitra Rakotonirina Jean-Claude.
Nisy dia nalehany maika tampoka tany Atsimo tamin’iny andro iny, araka ny tsiliam-baovao azo.

Toy ny niniana noforonina mihitsy izany ilay savorovoro teny Ivato mba hanariana dia ny rehetra, indrindra ny mpanao gazety, mikasika ny tsy fahombiazan’ny dinika, ireo Malagasy voasambotra tany an-toerana ary ny amin’ny varin’ny Magro satria dia ny fanapahan-kevitra noraisina nandritra ny fivoriam-be notarihin’Atoa Andry Rajoelina ny Alakamisy 20 Aogositra no loharano nipoiran’iny ampamoaka lehibe tao Anosy ny Alarobia 27 Aogositra iny.

Nandaitra tokoa ny tetika satria dia saika nifantoka tanteraka tamin’ny raharaha Manandafy tao Ivato ihany avokoa tokoa ny fampahalalam-baovao. Zary lasa adino hatramin’ny tena zava-dehibe sy anton’ny dinika tatsy Maputo.

Azo antoko fa tsy ho ny olon-tsotra no afaka nitondra fitaovam-piadiana nivoaka teto Madagasikara nankany Maputo fa tsy maintsy ho mpitandro ny filaminana. Tsy ny mpitandro ny filaminana rehetra ihany koa anefa no manana fahafahana hanao izany afa-tsy ireo no nomena alalana manokana ihany. Toy ireo mpiambina olona ambony izany.

Raha izay àry no izy dia tsy maintsy ho mpiambina manokana ny Lehiben’ny Governemanta ireo olona ireo, na tsy izy rehetra aza. Ny tsy fantatra anefa dia miaramila sa zandary sa polisy izy ireo. Ireo tompon’andraikitra ambony rahateo tsy nisy nanome fanazavana misimisy kokoa ny momba iny raharaha iray iny. Ireo izay manana fahakingana amin’ny fampiasana fitaovam-piadiana sy fahaiza-manao manokana momba ny haiady avy eny anivon’ny Tafika sy ny Zandarimariam-pirenena ary ny Polisim-pirenena ihany mantsy mazàna no alefa manatanteraka ny fiambenana sy ny fiarovana ireny olona ambony ireny.

Tsy nisy fahadisoan-dRakotonirina Manandafy velively noho izany raha nanohintohina ny Tafika malagasy ny teniny. Io ilay hoe fandoto eran’ny tantondra tsy mahaleo ny fandio eran’ny siny, koa na firy na firy ny isan’ireo sinambotra tatsy Maputo dia fantatra fa na izy ireo miaramila na zandary na polisy. Ity farany moa tsy ao anatin’ny vondron’ny Tafika malagasy.

Ny nahadiso ny Filoha nasionalin’ny antoko MFM angamba dia miaramila manam-boninahitra ambony ihany no niaro azy tao Ivato. Mampibaribary ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny samy mpitandro ny filaminana izany. Midika ihany koa anefa fa ampahana miaramila ihany no niantefan’ny tenin-dRakotonirina Manandafy fa tsy izy rehetra.

Tsotra ny lesona azo tsoahina. Tsy fanao intsony manomboka izao ny milaza am-pahitsiana ny fahamarinana raha tsy te-hiharan’ny herisetra. Rehefa nozohina dia tena miaina ao anaty demokrasia marina tokoa ny firenena sy ny vahoaka malagasy tsy vakivolo ankehitriny!!!!

Malagasy Aho

Diffuser :
  • Digg
  • E-mail this story to a friend!
  • Google
  • MySpace
  • Wikio FR
  • Facebook
Redaction
Classé dans : A Vous la Parole !
Mots-clefs :

Commentaires

35 Commentaires : “Ny fahadisoan-Rakotonirina Manandafy”
  1. Alidera A.R dit :

    Na inona na inona nolazain’i Manandafy dia raha miaramila manan-katao sy misy atokony ny miaramila malagasy dia tsy i Manandafy no hanamaprany izay mbola mba kely hainy.

    Mirongatra ny asan-dahalo amin’izao fotoana izany, na ambanivohitra izany na an-drenivohitra. Ny mahagaga anefa dia tsy misy azon’ny miaramila na zandary na polisy izy ireny.

    Raha tmin’ny andro taloha dia ny miaramila no niaro ny vahoaka tamin’ny menamaso. Ankehitriny kosa dia ny miaramila mihitsy no menamaso.

    (Alerter)

  2. finaritra dit :

    Slt daholo ny mpamaky, zao ihany mivavaka ho anireo mpitondra antsika ireo mba samy hahay handefitra ny hambopo politika, satria ra samy mihenjana ny tady dia isika vaoaka madinika ihany no hitaty ny vokany eo, adidintsika izany ny mitondra ambavaka ity tanindrazantsika ity mba handroso sy handry fahalemana ho reharehantsika malagasy *
    Ka hoy izaho to ampamaranana oe mety amitsika ve ra mba manokana fotoana kely 10mm isanandro atolotra ny tompo ny faniriantsika mba hahazo valimbavaka anie isika retra0*
    Misaotra tompoko

    (Alerter)

  3. taratra dit :

    CES MILITAIRES DEBILES CHERCHENT LA PETITE BÊTE !
    C’EST POUR CREER UNE TENSION POUR PROTESTER CONTRE LE FAIT QU’ON NE VEUT PAS DE RAJOELINA. C’EST TOUT !
    DONC IL FAUT BIEN TROUVER QUELQUE CHOSE POUR CONTINUER LA CRISE.
    VOUS SAVEZ LES AMIS, NOUS AVONS AFFAIRE AVEC DES JIOLAHIMBOTO !

    (Alerter)

  4. Tsy mila putschiste dit :

    masina ny tanindrazana

    (Alerter)

  5. Tsy mila putschiste dit :

    mila vaksiny amin’ny haromotana i sarla sy liliany

    (Alerter)

  6. Tsy mila putschiste dit :

    mbola ho avy ny faran’ny olondratsy ireo

    (Alerter)

  7. Tsy mila putschiste dit :

    sendra ny adala nahazo basy

    (Alerter)

  8. Rado dit :

    Aleo mba misy miteny ihany ny ataony fa raha tsy izany toa soavaly tapakofehy e

    (Alerter)

  9. Rado dit :

    Ceux qui se sentent morveux qu’ils se mouchent

    Et les mouchards sont arrivés à Ivato avec leur joujou

    Comment se fait-il aussi qu’il y a des Généraux qui sont commandés ou sous ordre des colonels?

    Cela sent la morve aussi et c’est une frange de l’Armée qui fait cela

    (Alerter)

  10. ravelojaona dit :

    Quand d’un coté le « colombo » expert en bombes de la HAT a jeté en pature le noms de quelques braves et innocents légalistes,pour avoir soi-disant posé des bombes,les noms des voyous surpris en flagrant délit à Maputo par la sécurité sont soigneusement camouflés.
    Ne croyez pas que les Malgaches lacheront le morceau messieurs les Vendrana isany
    Vous allez tous payer tot ou tard,croyez-moi.

    (Alerter)

  11. raben dit :

    Ny fitsipipifehezana mihintsy no efa goragora. Ireny zavatra nitranga ireny dia taratra fa voalohany: tsy mahafehy ny andraikitra tazominy ny ministrin’ny tafika (Fati), tsy fantan’ny CEMGAM (Fati) ny hatao devise hoe: POUR LA PATRIE navadiny ny R nakeo aloha ny T dia lasa mpomba mpanao politika izy ka lasa POUR LA PARTIE. Ireny fihetsika nanomboka ta

    (Alerter)

  12. xena dit :

    Maivana be ny hevitra ato amin’ny Topmada! Hevitra ataingitaingina fotsiny!
    Efa resy i Ravalo ry zareo a! ^_^

    (Alerter)

    • Ziry Onesime dit :

      Et voilà encore un bidon vide s’appellant XENA qui resonne!…Tena ttttsssssss!… Mahamenatra!

      Mba misaina r’ise fa izao tontolo izao anie ka mamaky itony tranonkala itony daholo e!… Dia mba manaova « analyse » tsara dia tsy vasoka amin’izay! Tena marina e!

      (Alerter)

    • tonhy dit :

      TENA HEVITRA HAMPANDROSO AN M/CAR TSY HO EO AMBANIN’NY ZIOGAN’NY FRANTSAY INTSONY NY ATO , FA NY AN’ IREO VENDRANA TGVALAKA IREO NO MANAO RESAKA MAMO RONGONY SY MIVOVO HOATRIN’NY ALIKA ROMOTRA .

      (Alerter)

    • Xena, araho ny tantara ary aza miala lavitra mihitsy fa ho hitanao ary ho fantatrao fa mbola mijoro ary manaraka akaiky ny vao2 eto @ tanàna Ra-8.
      Fa ity bandy kely haka ny hevitry ny bandy akama ao @ bozaka maintson’Ambotsirohitra izao ve tsy tena mandohalika sy milavo lefona tanteraka e!
      Aza dia fanatique be fahatany re olona ô!
      :D :D :D :D

      (Alerter)

    • ZA IHANY dit :

      ny tantara no hitsara e, tadidio aho ry Xena rehefa ataon ny jiolahimboto toy ireny ianao rehefa mahazoazo taona eo……..

      (Alerter)

    • mafana fo dit :

      rehefa mtapy ry xena dé mamonoa tena fa aza ny malagasy no potehina,ny tanora mjoro foana,ny vendrana ihany no mihoraka.
      PS: ny dadanay tsiresy zany TGValaka zan.mandé tena faza mtsofitsoka ato tsony……

      (Alerter)

  13. TG vou dit :

    Ny tena marina anie dia tsindry bokotra fotsiny koa ny an’ dRacharles e, tiany aseho hoe mbola misy izy fa tsy mahazo manao n’inon’inona ianao Manandafy e ! saingy tsy fantany fa miha betsaka andro aman’alina ireo miaramila no tsy tia azy ….

    (Alerter)

    • Tiako i Dada dit :

      1> Izao no tsara ho fantatsika, hoy ny teny vahiny hoe « c’est LA VERITE QUI BLESSE », fa raha ohatra ve ny miaramila « amerikana » GI no lazaina izany na ny « légion française » dia ho romotra toy ireny izy ireo???? sa tsy marina izany!!!
      2> Izaho aloha dia tena « allérgique » ny miaramila malagasy e! na satro manga na mena na maintso na mainty dia masiso daholo amiko, tsy misy ilako azy,
      ny « dénominations » sy « qualifications » ratsy rehetra dia ato andohako daholo ny momba azy ireny,
      FA ilay capitaine tamin’iny andro iny kosa aloha dia tena nentiko am-bavaka mihintsy ary nisaotra an’Andriamanitra aho tamin’ny fahasahiany,
      fa saingy matahotra aho izao sao fofon’iretsy dévoly sarle sy lolosonjo ny ainy, koa mangataha amin’Andriamanitra rey olona mba arovany izy, fa mba nisy nahasahy nijoro toa azy,
      raha hitako aloha iny rangaha iny dia ataoko bà mihintsy e!!!! lazao izany izy

      (Alerter)

  14. navany dit :

    mahatsiaro ho voatsindrona ry charles sy lilison de mitroatra, izy ireo anie olona tsy manana basy ihany no sahin-drizareo foretana eh fa raha tena milay izy maninona no tsy ariana ireny basy ireny de mifanainga de ho hita eo i ramakavelo ko tena ol tsy mamely mihintsy foza

    (Alerter)

    • Tiako i Dada dit :

      1> Izao no tsara ho fantatsika, hoy ny teny vahiny hoe « c’est LA VERITE QUI BLESSE », fa raha ohatra ve ny miaramila « amerikana » GI no lazaina izany na ny « légion française » dia ho romotra toy ireny izy ireo???? sa tsy marina izany!!!
      2> Izaho aloha dia tena « allérgique » ny miaramila malagasy e! na satro manga na mena na maintso na maintsy dia masiso daholo amiko, tsy misy ilako azy, ny « dénominations » sy « qualifications » ratsy rehetra dia ato andohako daholo ny momba azy ireny, FA ilay capitaine tamin’iny andro iny kosa aloha dia tena nentiko am-bavaka mihintsy ary nisaotra an’Andriamanitra aho tamin’ny fahasahiany, fa saingy matahotra aho izao sao fofon’iretsy dévoly sarle sy lolosonjo ny ainy, koa mangataha amin’Andriamanitra rey olona mba arovany izy, fa mba nisy nahasahy nijoro toa azy, raha hitako aloha iny rangaha iny dia ataoko bà mihintsy e!!!! lazao izany izy :kiss: :kiss: :D :p

      (Alerter)

  15. The Man dit :

    Ry sarla sy lelison nge olona inculte e! Bala rora fotsiny fa rehefa tena ataon’ny mangina volamena dia mifori drambo manoatra noho ny kivaha. Ireny no mba idolendry rossy le, hita mihitsy hoe kapoka iray.
    Nahaontsa mihitsy ary mbola tsaroan’ny mpitsidika ny topmada ny fomba nisamborana an i Manadafy sy ny mpiara dia taminy tao @ carlton, tsy ho adino iny ary ho avy ny fotoana tsy maintsy hamalian i sarla an ireny zavatra ireny …tsy te ho eo @ toerany aho fa ho sarotsarotra ihany @ izany fotoana..na ho ela io…na ho haingana

    (Alerter)

  16. farpait dit :

    Tena tsy misy CAPSAT any @ ry zalahy an !!!

    http://www.youtube.com/watch?v=dSiKw5rgM_U

    :D :D

    (Alerter)

  17. esory dit :

    Tsy hisy vahaolana mihintsy eto amin’ny firenena raha tsy diovina ny tafika Malagasy. Tena fanetriben’ny firenena mihintsy ireto miaramiland-Rajoelina lian-drà sy very henatra ireto.

    (Alerter)

  18. hi raka dit :

    Misaotra betsaka anao nanazava ny toe-draharaha, misaotra Tompoko! ny adinon’iPraiminisitra Manandafy fotsiny dia tokony nilaza vaha-olana izy;

    dia ireo miaramila ireo ve zany rehefa mifanopa ao caserne ao dia mifamono misy maty sa ny olon-tsotra ihany no atao an’io toetran’alika io?

    aiza ve rangah, ny kaporaly manevateva amiral, saingy kely mantsy ilay olona dia ireny fa raha any ivelany any @ tany mandroso ireny efa nifika iny kaporaly iny, eto moa ninina natao bordel de izao

    soa fa misy ihany ny tsara ohatran-dry Roger Luc, ary maniry ny hitohizan’ireny foana na NA AIZZZZZZZ NA AIZZZZZZ mendrika izy mihoatra @ iretsy vorondolo tonga tao aminy

    ny hoe tsy fahombiazana tany Maputo KA EFA HITA FA VENDRANA innn no zavatra anjary eo! ny fotsy @ olona, mainty aminy, ny mainty indray lazaina fa fotsy etsetra etsetra

    (Alerter)

  19. sarl dit :

    Raha tiana handroso io Madagasikara io de tokony msy ho faty reo mpanao plitika izay ef amihoatrany 70 ans ary tokony misy ady samy miaramila na miaramila sy zandary satria ef abetsaka loatra ny manamboninahitra ao ka ao reo nomempotsiny ka tsy mahafantatra zany de mano zay tiany hatao.

    (Alerter)

  20. Nenina dit :

    KA EFA MISEHO MAZAVA TSARA ANIE IZAO NY TOETR’IREO MPANDAINGA, MPANAHAN-DALITRA IREO E! RAHA TADIDINAREO, TAMIN’NY MAPUTO 1 DIA NODRADRADRADRAIN-RY ROLLY MERCIA SY RY LALATIANA FA NISY MPIAMBINA AN-DRAVALOMANANA NIRONGO FITAOVAM-PIADIANA NIARAKA TAMINY NIALA TANY AFRIQUE DU SUD NANKANY MOZAMBIQUE NANDEHA FIARA. IO ILAY IRAHA-MALALA HOE  » NY ATAONY IHANY NO LAZAINY ATAON’NY HAFA ».
    ANKOATRA IZANY, IREO FA EFA MIADY AN-TRANO SAHADY RY ZALAHY MPANGALATRA: VARIN’NY TIKO IO.
    MBOLA VAO IO FOTSINY ALOHA IZAO NO MITRANGA FA METY MBLOA HO AVY NY MANARAKA REHETRA.
    FARANY AZA MBA TSY NAHITA FIANARANA IHANY HOY AHO!!!!!!!

    (Alerter)

  21. fahendrena dit :

    Tena midera tanteraka ny fitsihetsika nataon’ilay nandray an’i charles t@ vozon’akanjony ny tenanay!misy misia ny toy ireny fa mba anjaka ihany ny rariny raha mitohy izany,efa zatra nanao lalan-dririnina i racharles sy lylison,kanefa dia sendra ny nahay azy! anatra ho azy roalahy iny,ary tokony ahamenatra azy ireo

    (Alerter)

  22. nyvo dit :

    f’iza moa ry zareo miaramila ireo no tsy azo kianina e ???? Sa rehefa ry zareo dia mahazo manopa olona sy miteny ratsy be imasombahoaka , ohatran’ilay tery @ carlton ???

    Nahazo ny sahaza azy tsara izay charles ilay teny ivato iny, voaray tsara t@ vozin’akajony ka tsy afanikofoka mahery, hay ve ao @ tafika ao ka misy mahasahy mandray azy @ vozon’akanjony ohatran’ireny ihany e.

    Saika hanao hamboletra hiditra tary @ departs ihany koa tamin’iny fa voasakan’ny polisy, soa ihany.

    (Alerter)

  23. Rama dit :

    DISO ALOHA NY TITRE NATAONAREO. FA ANGAHA MOA TSY HOE MIHATSARA NY DEMOCRATIE @ IZAO FOTOANA IZAO RAHA NY FILAZAN’NY SASANY? NA NISY AZA IZANY ILAY TENY TSY HITAKO HOE INONA NO NAHADISO AZY SATRIA IZAY NO HEVINY?
    TSY IZY IRERY NO MIHEVITRA FA TSY HITA LOATRA IZAY ILANA NY TAFIKA MALAGASY FA BETSAKA DIA BETSAKA.
    SOA IHANY FA MBA EFA MISY MANAM-BONINAHITRA MILAZA MAZAVA FA LEGALISTES. RAHA IZAHO IZAO DIA IZAO AHO VAO MBA MANOMBOKA MAMERINA TSIKELIKELY NY FITOKISAKO NY TAFIKA MALAGASY.

    (Alerter)

    • Tanora Gasy Voleur dit :

      POUR VOTRE INFORMATION , EN ESPACE DE QUELQUES MOIS DE RÈGNE ET D’EFFECTIVITÉ DU POUVOIR COMME ILS DISENT :
      RIJA RAJOELY CHEF TGV EUROPE VIENT D’ACHETER 2 4X4 NEUFS, 1 ML MERCEDES ET 1 TIGUAN.
      DE SON COTE AUGUSTIN L’EX LIVREUR DE COLIS N’ ARRÊTE PAS D’ACHETER DES MAISONS A MADAGASCAR.
      QU’EST CE QUE ÇA VA ÊTRE S’IL RESTE 15 MOIS DE PLUS AU POUVOIR ????
      SI ÇA CONTINUE COMME ÇA, TGV ET SES VOLEURS VONT VENDRE MADAGASCAR AUX ENCHÈRES
      ;-( :(

      (Alerter)

  24. Rama dit :

    DISO ALOHA NY TITRE NATAONAREO. FA ANGAHA MOA TSY HOE MIHATSARA NY DEMOCRATIE @ IZAO FOTOANA RAHA NY FILAZAN’NY SASANY? NA NISY AZA IZANY IALY TENY TSY HOITAKO HOE INONA NO NAHADISO SATRIA IZAY NO HEVINY. TSY IZY IRERY NO MIHEVITRA FA TSY HITA LOATRA IZAY ILANA NY TAFIKA MALAGASY FA BETSAKA DIA BETSAKA.
    SOA IHANY FA MBA EFA MISY MANAM-BONINAHITRA MILAZA MAZAVA FA LEGALISTES. RAHA IZAHO IZAO DIA IZAO AHO VAO MBA MANOMBOKA MAMERINA TSIKELIKELY NY FITOKISAKO NY TAFIKA MALAGASY.

    (Alerter)

  25. maso dit :

    ny olana dia tsy ny zavatra notenenin’i Manadafy fa i Manadafy en personne!!

    izy no olana ho an’i cdt charles sy lylison eh !

    tsy lanin’ny vavonin’izy roalahy hoe nivoaka i Manandafy! I cdt mantsy dia niseho ho bob be teny @ carlton tamin’ny nisambotra an’i Manadafy nefa izao dia nivoaka ilay olona . ..

    ka niandry kendry tohana fotsiny ny anao lahy mba handraisana an’i Manadafy amin’ny vozon’akanjony !!

    Kanjo sendra ny ngeza eh !
    hay ve rehefa mlisy sahy mamaly an’i cdt charles dia tsy sahy ny anao lahy eh !! be vava fotsiny fa hay kanosa ihany eh !!

    (Alerter)

    • merci dit :

      marina ny anao lahy! miseho milay fa rehefa misy sahy mitandroka, dia mikombona ny vavan-dra charles sy lylison. mahamenatra!

      (Alerter)

      • gasybe democrate dit :

        Mahamenatra ???

        tu es trop bon Merci :

        ===> à ce niveau de crétinisme avancé , on n’a jamais honte voyons !!!!!!!

        pas besoin de les moraliser , il n’y a que la force ou la menace qui vaillent , comme l’a si bien compris cet officier qui les a matés…………..

        (Alerter)