RedactionFANAMBARANA
HETSIKA MITAKY NY FAMPIHARANA NY SATAN’I MAPUTO
Ny HETSIKA MITAKY NY FAMPIHARANA NY SATAN’NY TETEZAMITA nosoniavina tany Maputo, dia
manambara etoana fa :
- Niezaka ny nangataka fanazavana tamin’Andriamatoa Razafindravahy Edgard, Filohan’ny Delegasiona Manokan’Antananarivo momba ny antony tsy nahazoana alalana hanao fivoriana ao amin’ny Kianjan’i Mahamasina, nefa tsy nahazo valiny,
- Nanao ho zava-dehibe ny fitandroana ny filaminana ka niangavy ny tompon’andraikitra tao amin’ny Tafika fa anjaran’ny Mpitarika ny Hetsika ny mandanima ny vahoaka mba tsy hikorontana ary hisorohana ny savorovoro. NEFA dia iaraha-nahita ny zava-nitranga ny asabotsy faha-26 septambra lasa teo : nisy ny fitifirana, ny fandefasana baomba mandatsa-dranomaso, ny fampiasan-kery.
KOA :
- i) Maneho ny alahelony sy ny firaisam-po amin’ireo naratra ary mampahery azy ireo ka mirary fahasitranana tanteraka,
- ii) Manamarika fa ny miaramila dia tsy natao ho herim-pamoretana, fa hiaro ny vahoaka sy ny fananany,
- iii) Miantso ny Vahoaka Malagasy hanamafy hatrany ny firaisan-kina amin’ny fitakiana am-pilaminana ny fampiharana ny Satan’i Maputo,
- iv) Mitaky tsy misy fepetra ny fampiharana ny Satan’i Maputo, izay hany lalana hivoahan’ny firenena amin’izao krizy izao,
- v) Miantso ny Tafika hijoro ho mpiaro ny Vahoaka sy hametraka ny tombotsoan’ny firenena ho ambony, araka ny teny filamatra hoe “ho an’ny tanindrazana”.
Fetison RAKOTO ANDRIANIRINA
Hetsika ho fampiharana ny Maputo










De ny ataoko tokoa no miverina !!!
(Alerter)
Ka inona moa fa dia haratra sy ho fatifaty fahatany ny ankabeazany raha izao no mitohy…
raha ny tena tokony ho izy dia tokony ho atao haza lambo ireo miaramila sy misandoka ho miaramila ireo mandra-pahafatiny…
betsaka no azo atao, fa ny mpanao no tsy misy…
(izaho ao anatiny… LOL)
(Alerter)
Ndao isika rehetra hitsena an’i Rajoelina miaraka @ sorabaventy mampiseho azy fa tsy mankasitraka ny ftondrany rehefa ho tonga izy. Mino izaho fa tsy afaka hanao ny ataony ireo miaramila ireo @ io fotoana fahatongavany io.
(Alerter)
hamafiso ny finoana an’Andriamanitra, niezaka ny hifandinika an-databatra ny Filoha Ra8, tsy nanaiky ireto,
izao ze tiany no ataony indray , izany ve no atao hoe demokrasia, na kristianina e, mandefitra, mihavana…
ka Andriamanitra tsy mamindra fo hoan’izay ratsy saina tsy mety hifamela, tadidio, ahoana moa no hamelany ny helokao nefa ianao tsy mamela ny hafa ?
misy valiny avokoa izay atao rehetra » na ratsy na tsara ».
(Alerter)
efa mivaly amindra8 izao ny nataony tamin’ny 2002 koa inona indray
(Alerter)
Ovay ny pseudo-nao fa tsy mendrika,izao efa heri-pamoretana sy fahoriana miantra amin’ny Malagasy noho ireo putchistes fat ireo ka mbola mahafaly anao!raha tena misaina sy nandinika ianao t@ 2002,tsy toy izao ny nanjo ny Malagasy,ary tsy potika sy afa-baraka toy io ny firenena,aza dia ny tsy fankahalana no amparina fa jereo ny zava-misy,ary aza zatra mitsara sy mijery mitorina toa io sao hanenina atsy ho atsy!noho izany dia « foza » no tokony nataonao pseudo-nao fa io no tena mendrika sy mifanaraka amin’ny toe-tsainao
(Alerter)
misa,
tena faly izany ianao satria mivaly amin’ny vahoaka ny nataony t@ 2002? tadidio fa ny vahoaka no nidy ho an-Dravalomanana tamin’ny 2002… AZA ADINO MIHITSY IZANY!!!
(Alerter)
la francafrik ,dans ce qu’elle a de plus répugnant et de plus violent ,est un savant mélange des genres ou les couleur sspolitik et religieuses ne sont que des leurres pour les opinions pubkics…..d’abrutis
la cas malgache est un cas d’école!!!! c’est une isle..c’est bien pratike pour ca une isle…les ports d’une isle sont un livre ouvert ……et avec internet ce sera de plus en plus dificile de faire passer ces mascarades qui voulaient (par exemple )que Ratsiraka était le cotier contre les méchants plateausards…ou( plus drole )que kouchner s’occupait de la famine au niger par phylantropie….
(Alerter)
TSY MAHAZO RERAKA ISIKA TSY MAHAZO MATAHOTRA TSY MAHAZO KIVY IO NO TANJANTSIKA IO NO HAHAFAHANTSIKA MAMOTIKA IO HAT TARIHIN I ANDRY RAJOELINA IO MITOHY NY TOLONA AU NOM DE LA LIBERTE DE LA DEMOCRATIE ET DROIT DE TOUS LES MALGACHES
(Alerter)
Tohizo ampilaminana ny tolona, fa tsy maintsy hisy, ary ho avy ny vokatsoa e !!!
(Alerter)
laingany izany ,Andana ianareo Miasa Tolona aho tolona
(Alerter)
tsy misy zavatra fantatrr’i nadia miitsy aty DAGO aty fa aza miresaka be eo e ! ts fantatrao akoury oe inona no atao oe aradalàna.
(Alerter)
les bondieuseries détournent des vrais problèmes…surtout en Afrik ou il serait bien de devenir pragmatik si l’objectif est de mieux faire vivre la population…..
les religions sont une escrokerie…..(sauf l’animisme)
(Alerter)
Sur ce point, vous avez entièrement raison !
(Alerter)